Actualités

«Madagascar Développement Plus» Fikambanana hanamafy orina ny toeran’i Frantsa


  • Alatsinainy 12 Jolay 2010

Manararaotra ny krizy ara-politika eto Madagasikara ny Frantsay mba hanamafisany ny toerany eto Madagasikara izay efa nihoaran’ny firenen-dehibe hafa nandritra ny fitondrana Ravalomanana.

Ankoatra ny lafiny diplaomatika dia mitsangana ankehitriny ny fikambanana antsoina hoe : «Madagascar Développement Plus» izay ivondronan’ny olomboafidy maro sy tompon’andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny kolontsaina ary mpanakanto frantsay vitsivitsy ihany koa. Ny 06 jolay teo no tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy tany Parisy ity fikambanana ity izay misy Malagasy koa mpikambana ao aminy. Raha ny fanazavan’i Jacques Blache, filoha mpisolo toerana dia ny fanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny vahoaka roa tonta no tanjona, indrindra moa fa manana fifandraisana ara-tantara i Madagasikara sy Frantsa. Raharahan-tokantranon’ny Malagasy ny krizy eto amin’ny firenena ka tokony ho ny malagasy ihany no mandamina azy fa tsy idiran’ny mpanelanelana vahiny hoy izy. Melohiny koa ny fahatapahan’ny fanampiana ny firenena ataon’ireo mpamatsy vola isan-karazany. Milaza ho tsy manana fiandaniana manoloana ny zava-misy ankehitriny anefa i Jacques Blache saingy miendrika fanambatambazana ny malagasy kosa ny asa sahanin’ny fikambanana misy azy.

Tetikasa isan-karazany mantsy no heverin’ny «Madagascar Développement Plus» tontosaina eto amintsika ao anatin’izao krizy izao toy fanamafisana ny fanaovana mpirahavavy ny tanàna na faritra frantsay amin’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana eto an-toerana. Ezahana tontosaina ao anatin’ny fotoana vitsy, ohatra, ny fametrahana ho mpirahavavy ny kaominina Sainte Marie sy ny kaominina Saint Avold (Lorraine) izay tetikasa efa ela noketrehana saingy tsy tontosa mihitsy. Hatao mpirahavavy koa ny faritra Analamanga sy Val de Marne. Tombontsoa amin’ity karazana fiaraha-miasa ity ny fanamboaran’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny fotodrafitrasa maro toy izay vatsian’ny région Ile de France eto an-drenivohitra. Momba ity farany indrindra dia ho avy eto ny tompon’andraikitra ambony iray hidinika miaraka amin’ny Pds-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny praiministra momba ny fanatontosana ny tetikasa «Tramway». Eo amin’ny sehatry ny kolontsaina dia nambaran’i Jacques Blache fa mikasa hanangana ivotoerana ara-kolontsaina avo lenta momba ny mozika sy ny kolontsaina antsoina hoe : «Centre de formation et de promotion des industries culturelles» eto Madagasikara ny kaompaniam-piantohana frantsay iray. Ny 23 jolay izao no fihaonana amin’ny ministry kolontsaina Mireille Rakotomalala momba ny tetikasa raha ny fanazavany ihany. Santatra ihany moa izao fiaraha-miasa izao fa amin’ny volana oktobra dia hisy delagasiona mafonja higadona eto Madagasikara ka hitondra tetikasa fanampiny ireo mpikambana handrafitra amin’izany. Amin’io fotoana io koa vao hanana vaovao matotra kokoa momba ireo nambara teo izahay, hoy ity filoha mpisolo toeran’ny «Madagascar Développement Plus» ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT