Actualités

Madagascar Airways Tsy mety mandoa hofan-trano ?


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Misy feo mivoaka ankehitriny nandrenesana fa tsy mbola nandoa ny hofan’ny Hangar itoerany eny Ivato tao anatin’ny roa taona nisiany ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy miankina Madagascar Airways.Any amin’ny ADEMA moa no tokony handoavana io vola hofan-trano io, ary manao izany ny rehetra manana fiaramanidina sy birao eny, ireo orinasa tsy miankna no resahana eto.

 

Fantatra fa rehefa notakiana io hofan-trano io ny Madagascar Airways dia namaly fa efa nanamboatra ny trano (Hangar) izy ireo ka tsy tokony ho tahiana hofan-trano intsony.Tsara ho marihana fa Hangara nampiasain’ny Groupe TIKO tamin’ny fotoan’androny no lasan’ity kaompaniam-pitaterana ana mpandraharaha akaikin’ny filoham-pirenena ity, ary mbola tena azo iadian-kevitra koa aza ny fomba nahazoany azy .Mety manana olana ara-bola ve ny Madagascar Airways sa tena midrikina tsy handoa hofan-trano tsotra izao satria mahatoky fa tsy hisy sahy hikitikitika azy eto raha mbola eo amin’i fitondrana i Hery Rajaonarimampianina ? Ary raha toa ka samy hanao izany avokoa ny rehetra hoe efa mba nisy fanamboarana nataonay ka aleo izahay tsy handoa hofan-trano dia inona no mety hitranga ? Miandry ny mangarahara amin’ity raharaha ity ny maro ary manana adidy ny mpitantana ny Madagascar Airways hitondra fanazavana fanampiny momba ny Hangar itoerany eny Ivato.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT