Nanomboka omaly ary haharitra roa andro ny fitokonan’ny mpanabe, ahitana ny mpampianatra sy ireo mpiasa birao samy hafa, eo anivon’ny Lycée teknika ao Toamasina. Ny fitakiana ny fanondrotana ny tambin-karama sy ny fitsinjovana manokana ho azy ireo amin’ny fanabeazana omeny, no anton’izao fitokonana roa andro nanomboka omaly 20 mey izao.
Nisy, arakaa izany, ny famolavolana lalàna entina hodinihan’ny governemanta mikasika ny karama sy ny tambin-karama ho azy ireo. Voasahana ao anatin’ity volavolan-dalàna ity ny mikasika ny mari-karaman’ny mpanabe sy ny tombontsoa ho azy ireo arakaraka ny taom-piasana sy ny diploma. Ny marainan’ny alakamisy 20 mey no efa nanomboka ity fitokonana ity. Tetsy an-danin’izay anefa, dia raikitra koa ny sakoroky ny mpianatra tsy nanaiky ity fitokonan’ny mpanabe ity. Niforona tampoka ny sora-baventy samihafa milaza ny tsy faneken’ny mpianatra ny fitokonan’ny mpanabeny. Nisy kosa ireo nanaiky izany ka vonona ny tsy hianatra fa hanohana ny mpampianatra amin’ny fitakiany. Nisy ny fanimban-javatra nataon’ireo mpianatra, indrindra fa ireo taona fahatelo hiatrika fanadinam-panjakana tsy ho ela. Fitaratra maro no vaky nandritra ity sakoroka ity, teo koa ny fandoroana sy fanimbana ary famotehana ny dabilio, indrindra fa ho an’ireo natokana ho an’ny mpampianatra. Tonga nandamina ny raharaha ny mpitandro ny filaminana, tsy ela dia niverina tamin’ny laoniny ny toe-draharaha, fa ny fianarana no miato anio zoma.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.