Vao maraina dia efa nisahotaka ny tetsy amin’ny Lycée Technique Professionnelle (LTPI) etsy Alarobia omaly. Toerana iray amin’ireo efatra izay hipetrahan’ny mpizaika amin’ny fihaonambem-pirenena izy io.
Nisy nametraka «baomba» tao amin’ny tatatra izay manoloana indrindra ny LTPI. Olona telo no nanatontosa izany raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Nisy nahita ihany ireo saingy tsy nisy nieritreritra fa baomba no tao anatin’ilay harona sachet miloko mainty izay natsipin’ireo tsy taitra tao anaty tatatra. Elaela vao taitra ny rehetra ary nanopy maso ny tao anatiny. Hita teo fa miendrika baomba ireo karazan-javatra hita tao. Nantsoina faran’izay haingana ny Emmo-Reg izay nitondra mpitandro ny filaminana marobe ary misy manampahaizana manokana amin’ny baomba. Tonga teny ihany koa ny “brigade cynophile” izay mazava ho azy fa mpampiasa ireny alika mpitsongo dia ireny.
Nandeha avokoa ny fanadihadiana ary samy nampiseho ny fahaizany teo ny tsirairay. Teo dia fantatra ary fa naka bus ireo telo lahy nandritry ny fitsoahany. Nijanona teo amin’ny «arrêt» iray mantsy ny dian’izy ireo, araka ny fanarahan-dia nataon’ilay alika. Raha ny momba ilay baomba indray dia talanjona avokoa ny rehetra raha nahita ny tao anatiny. Hay fasika no nofonosina taratasy mivalombalona. Mody nasiana tariby kely misaringotra sy finday iray niaraka tamin’ireo mba hanomezana endrika azy ho baomba vita gasy. Raha araka ny fantatra dia efa mandeha ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity ary efa misy ny olona ahiahiana ho anisan’ireo olona telo tompon’andraikitra. Raha dinihina ny zava-misy dia toa hataon’ny sasany kilalao mihitsy ny fiantsiana ireo mpitandro ny filaminana, indrindra fa ny Emmo-Reg. Ireo farany mantsy no tena nisahotaka omaly manoloana ny zava-misy. Ireo mpizaika kosa tsy nisy nahafantatra ny zava-misy. Porofo izany fa mbola mitohy hatrany ny fihantsiana ataon’ny olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.