Actualités

LYCEE TALATA VOLONONDRY Mankalaza ny fahadimy taona niorenany


  • Talata 14 Aprily 2015

Feno dimy taona katroka ny niorenan’ny lycée ao Talata Volonondry, distrikan’Avaradrano fotodrafitrasa izay natsangana tao anatin’ireny krizy politika goavana niseho teto amin’ny firenena ireny.

 

 Tany amin’ny kilometatra maro mantsy ireo mpianatra ireo no namonjy sekoly teo aloha ka tsy vitsy ireo tovovavy no manambady tsy fidiny na nitsoaka an-daharana mihitsy ka tsy maintsy nikirizana ny fananganana ny fotodrafitrasa. Nankalazaina nanomboka ny zoma 10 aprily lasa teo ny fahadimy taonany, izay notarihin’ny Ben’ny tanàna any an-toerana. Na izany aza dia mbola misy ny zavatra tsy ampy. Anisan’ireny ny tamboho manodidina ny sekoly hahafahana miaro ny mpianatra amin’ny loza maro samihafa. Io no natao vato fehizoron’ny fankalazana, asa izay natomboka ny faran’ny herinandro teo. Mbola ny kaominina ihany no nitady hevitra tamin’ny fanatontosana izany entina hampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana. Ahitana efitrano fianarana miisa sivy moa ity lycée ity. Miisa 285 kosa ny mpianatra raha 19 ny mpampianatra.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT