Ho fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny hahatonga ireo mpianatra tsy ho tara amin’ny fivoaran’ny teknolojia dia nanolotra latabatra sy seza mitentina 10 tapitrisa Ar ho an’ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) ny vondron’ny Star.
Omaly no nanolorana tamim-pomba ofisialy izany, lanonana notarihin’ny sekretera jeneralin’ny orinasa Star Ramatoa Anna Rabary. Nandray ny entana kosa Ramatoa Razafindralambo Nirina, proviseur an’ity lisea ity izay nanamafy fa tena mitondra voka-tsoa be dia be ho an’ny sekoly tantanany ny fanampiana. Ny solosaina sisa no tsy anananay, hoy izy izay mbola hitadiavana mpiara-miombon’antoka. Anisan’ny hampiasana ny seza sy dabilio ny “laboratoires de langues” sy ny efitrano manokana hianaran’ny mpianatra infôrmatika. Mahatratra 3179 ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon’ny LMA ankehitriny. Ankizy avy any amin’ny faritra iva avokoa ny ankamaroan’izy ireo, izany hoe tsy mba manana solosaina any an-tokantranony, antony nanosika ny sekoly hanao ezaka goavana hangataka amin’ireo malalatanana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenan’ny LMA ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.