Actualités

Lycée Andranonahoatra Nitokona ny mpitsara BEPC


  • Zoma 30 Jolay 2010


Nitokona tsy nety nitsara ny fanadinana BEPC ireo mpampianatra miisa 200 efa voatokana hanatontosa izany ho an’ny foibem-panadinana Lycée Ravoahangy Andrianavalona Andranonahoatra. Noho ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny «vacation» tambinkarama nitsarana fanadinana taona 2009 no anton’izany. Vokany, voatery naparitaka any amin’ireo foibem-pitsarana fanadinana BEPC eto an-drenivohitra ny taratasim-panadinan’ireo mpiadina miisa 3200 raha tokony ho tao amin’ny Lycée Andranonahoatra ihany no nanatontosana izany. Fanapahan-kevitra noraisin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena izany nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eny Atsimondrano, Rabenja Andriamiarana. Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fitsarana ankehitriny. Mpampianatra valo no miandraikitra ny asa fitsarana ny taranja iray. Amin’ny alalan’ny solosaina no hikirakirana ny naotin’ny mpiadina hahafahana mamoaka haingana ny voka-panadinana. Marihina fa misy amin’ireo mpampianatra eny anivon’ny faritra ihany koa no nitokona tsy nandray anjara tamin’ny fanatontosana ity fanadinana BEPC 2010 ity noho io resaka vacation io ihany. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT