Actualités

Lozanareo, mba marina e !


  • Talata 11 Aogositra 2015

Nataoko ihany ny tsy hiteny ry Jean saingy efa tena sangy mihoatra ny loha no ataonareo. Mipetraka aty Ambohimiadana aty aho taorian’ny fisotroan-drononoko mba te hilamindamina nefa tsy mandry mihitsy ny saiko mahita ny anaovanareo ireto zaza malagasy ireo.


 Taiza sy oviana teto ry Jean no nisy CEPE atao anaty fotoanan’ny propagandim-pifidianana. Dia ho hahagaga ve raha ratsy ny voka-panadinana. Io indray ny BEPC fa nafangaronareo tamin’ny foara. Tabataba tsy nifandrenesana. Inona no lentan’ny fanadinana ho azo amin’ny fanelingelenana tsy hananan’ny mpiadina fifantohan-tsaina toy izany ? Dia io indray koa ny mpanao bacc fa ataonareo mitaintaina mihitsy hoe hisy sa tsy hisy amin’ity. Ireo ankizy lasa any Chine moa dia tsy misy tokontaniny toa zaza tsy tia anavanareo azy. Ka dia efa miteny aho ry Jean, fa ho lozanareo io tsy firaharahana ny ankizy sy ny tanora io, mba marina e !

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT