Actualités

Lozam-pifampivoizana etsy sy eroa Ny toe-tsain’ny mpamily mihitsy no mila miova


  • Alakamisy 05 Janoary 2017

Nifanesisesy sahady tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana na dia vao miandoha aza ny taona.

 

Nisantatra izany ny teny amin’ny By-pass izay naharatrana olona 31 raha vao nitombo ho  valo koa omaly ny isan’ireo namoy ny ainy tany Ilempona vokatry ny fifandonan’ilay kamiao iray tamina sprinter iray  avy any Fianarantsoa. Raha araka ny fanehoan-kevitry ny Rajakoba anisan’ireo mpamily matihanina eto an-drenivohitra dia ny toe-tsain’ny mpamily mihitsy no mila ovaina raha tiana ny hanafoanana ny lozam-pifamoivoizana. Misy amin’ireny namana ireny mantsy hoy izy  no tia mifanenjika rehefa mahazo lalana malalaka ka mitsapa ny herin’ny fiara nefa ain’olona no lalaovina. Toraka izany koa ny tsy fitandremana hoy hatrany Rajakoba izay tokony hatomboka amin’ny fitandreman-tenan’ny mpamily  dia ny fanaraha-maso ny lafiny ara-teknikan’ny fiara mialohan’ny hivoahana ny garazy. Tsy latsa-danja amin’izany hoy hatrany ity mpamily iray ity ny fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana izay hianarana any amin’ireo sekoly mpampianatra mamily fiara ireny ary tokony hajaina na dia mivoaka ivelan’Antananarivo aza. Ho an’ireo  tia misotrosotro mbola am-perin’asa moa dia notsindriany manokana fa tafiditra ao anatin’ny tsy fitandremana ireny ankoatra ny loza tsy nahy tonga tampoka tahaka ny rivo-doza.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT