Mifanesisesy efa ho roa herinadnro izao ny lozam-pifamoivoizana an-tanety sy an-dranomasina tsy eto Antananarivo ihany fa hatrany amin’ny faritra.
Eo ny fiaran’olon-tsotra mandona olona, taksibe tapaka hisatra, fiara mpitatitra entana mivadika, moto voadonan’ny fiara tsotra na taksibe, sambo rendrika…Samy nahafatesana sy naharatrana olona daholo ireny loza ireny. Tsy mba hitan’ny fanjakana ve izy ireny ? Inona ny fepetra noraisina ? Tsy nandrenesam-peo mihitsy izao ny tompon’andraikitra momba ilay fiarabe tany Atsimo nivadika ka nahafatesana olona 17, herinandro lasa izay. Omaly dia sambo vedety nanao taingim-be indray no namono olona 5 tany Mahajanga. Noho ny gaboraraka, tsy fitandremana ary fandikana lalàna no mahatonga ireny loza ireny. Fiara tokony hitaterana entana no hitondrana olona efa ho 40 amina lalana ratsy dia ratsy ; mihoatra ny lanja ny olona sy entana entin’ny sambo. Efa nambara fa voarara ny mitondra ankizy latsaky ny 5 taona amin’ny moto fa dia mbola mitranga ihany. Aiza ho aiza ny fanaraha-maso ? Sa tenenina fotsiny ilay izy fa tsy ampiharina ? Minisitera 3 farafahakeliny no tokony hiasa mafy momba ity resaka ity dia :ny minisiteran’ny fitaterana, ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena sy ny ao amin’ny polisim-pirenena. Fiara efa hita fa tsy tokony hiasa izao fa mbola afaka any amin’ny « visite technique » ihany. Olona mety tsy mahay mitondra fiara akory no mirifatra etsy sy eroa. Tsy latsaky ny 30 ny malagasy matin’ny lozam-pifamoivoizana tato anatin’ny herinandro monja. Sa hiandry lozam-piaramanidina hahafatesan’olona an-jatony tahaka ny mitranga any ivelany ve vao hihetsika ny fanjakana ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.