Actualités

Lozam-pifamoivoizana Tonga hatrany ny fifandoloam-pahefana


  • Alakamisy 11 Oktobra 2012

Nisy fiarakaretsaka sy moto nifandona ny talata hariva 9 oktobra tokony ho tamin’ny 6 ora tetsy Volaniray Anosibe, amin’ny lalana mihazo an-dry masera Ilanivato Anosipatrana.

 Ilay fiara avy aty Anosibe, ilay moto kosa avy any anaty tanàna hanapaka ho any Anosibe. Tsy nifandefitra ny roa tonta ka nifandona. Tsy nisy ny naratra fa ny fitaovana no samy nisy fahasimbana. Ny dontandroka sy ny fampihorohoroana no betsaka. Ho an’ilay nitondra moto dia niantso manampahefana fantany izy hamelesana ilay nandona azy. Izy anefa amin’io tsy nanao aro loha akory. Niha nitohana ny fifamoivoizana noho ny tsy fifandeferana. Asa na nisy ihany ny maritra niraisana.

Fa resaka fanamparam-pahefana ihany, ny zoma lasa teo teny amin’ny sampanana ho eny Vontovorona iny dia nifanena ny olon-tsotra nitondra fiara avy aty Fenoarivo sy manampahefana monina eny amin’ny CUR. Nanao hitsin-dalana ilay mpitondra izay miaraka amin’ny mpiambina mitondra fiara maromaro. Tsy nanaiky lembenana ilay olon-tsotra fa nanana ny marina. Raikitra ny “tsy mahalala ahy angaha ialahy”. Niditra an-tsehatra hatramin’ny mpiambina. Niafara tamin’ny fampiantsoana teny amin’ny zandary Betongolo ny raharaha. Soa fa nahalala ny nataony ny manampahefana tao ka votsotra ihany ilay rangahy. Mamely ny krizy ka tsy ifanomezan-tsiny fa na ny samy mpitondra aza ankehitriny mifandolo. Fanjakan’ny Baroa !

 

Rabeso 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT