Actualités

Lozam-pifamoivoizana teny Analakely Mpanolotsain’ny FAT nigadra


  • Alatsinainy 21 Jona 2010


Sendra ny taolana koa ity mpanolotsain’ny Fat iray ity ka any am-ponja no niafarany. Raha tsiahivina dia nisy lozam-piarakodia teny Analakely, tapa-bolana lasa izay. Fiara Golf an’ity mpanolotsaina ity no nandona fiara iray hafa izay manamboninahitra jeneraly no tompony. Ilay nandona indray anefa no avo vava avy eo satria mpanolotsain’ny Fat, hono.

Niezaka niantso tetsy sy teroa mba hiaro azy kanefa tsy nandaitra izany fa ny sabotsy teo no natolotra ny Fampanoavana ihany ny raharaha. Mamo moa ilay mpanolotsaina tamin’io ka tsy nisalasala ny tao amin’ny Fampanoavana nampiditra azy avy hatrany any am-ponja.
Tsy vitan’ny avo vava moa ity mpanolotsaina ity araka ny fantatra tamin’io fa mbola nataony tsinontsinona ihany koa ireo zandary tonga teny an-toerana tamin’ny fotoana nisian’ny loza, izay anisan’ny antony nahatezitra mafy ny tao amin’ny Fitsarana. Ny 28 jona izao no fantatra fa hitsarana ity raharaha ity. Mandra-piandry izay aloha dia any am-ponja ingahy mpanolotsaina.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT