Actualités

Lozam-pifamoivoizana tao Ilempona Tafiakatra 7 no maty


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Tafiakata ho 7 no maty vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny alatsinainy hariva tao Ilempona

 

. Raha tsahivina dia fiara 3 no indray nifanosina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany hariva ka fiara sprinter nitondra olona avy any Tsarazaza-Fandriana no nidona tamin’ny fiarabe kamiao ary mbola nifatraran’ny fiara 4x4 iray hafa koa. Nandriaka ny rà ka olona telo no maty teo no ho eo dia ny mpamily ilay Sprinter sy vady miaramila iray ary olona iray hafa. Novonjena netina tany Antsirabe, tao amin’ny hopitaly loterana ireo rehetra naratra ka ankizy 2 indray no maty noy tonga tao ka isan’izany ny zazavavy 7 taona zanak’ilay miaramila sy ankizy iray hafa. Ny alina dia nodimandry ihany koa ilay miaramila niampy olona iray hafa ary mbola misy maratra hafa atahorana nohon’ny dona mafy nahazo ny lohany. Voa mafy ihany koa ny mpamily ilay kamiao, izay nalefa notsaboina aty Antananarivo. Marihina fa 21 ny mpandeha tao anatin’ity Sprinter ity, izay niainga avy tany Tsarazaza-Fandriana tany ka saika mpianakavy avokoa ny ankamaroan’ny mpandeha tao anatiny. Tsy feno moa izy ireo ka mbola nanampy olona teo Ampihaviana Antsirabe ihany koa ary izao niharam-boina izao. Misy moa ireo mpandeha no tsy fanatra ny fiaviany sy tsy fantatra fianakaviana, izay mbola tsaboina ao Andranomadio –Antsirabe.

Caius R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT