Actualités

Lozam-pifamoivoizana tany Bevoay 17 no maty teo no ho eo


  • Alatsinainy 02 Novambra 2015

Lozam-pifamoivozana mahatsiravina no nitranga omaly tany Bevoay, kaominin’i Beraketa ao anatin’ny faritra Androy.

 

 Nivadika ny fiarabe nitatitra mpiasa ka 17 no maty tsy tra-drano, araka ny fampitam-baovao voaray omaly hariva. Mpiasana orinasa mpanao lalana ary mikarakara indrindra ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 13 izy niharan-doza ity. Raha ny fantatra dia saika handeha haka ny karaman’izy ireo any Ambovombe androy ireto mpiasa ireto izao tra-doza izao. Ny vaovao avy any an-toerana ihany no nahafantarana fa lany ny tahirim-panafody ao Beraketa ka tena mila fanampiana maika ny any an-toerana mba hitsaboana ireo maratra. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana na olona afaka manampy indrindra amin’ny manodidina io faritra io ihany koa ny tompon’andraikitra any an-toerana mba hanampy azy ireo. Tsy tena mbola fantatra mazava aloha hatreto ny nahatonga ny loza fa raha ny fahitana ny sary dia mafimafy ihany ny nivadihan’ilay fiara be, ratsy dia ratsy rahateo io ampahan-dalana io ka tena mananosarotra ny fifamoivoizana, indrindra fa raha olona tsy tena mbola mahay sy mahalala tsara ny lalana. Andrasana moa ny fanampiana sy ny fandraisan’andraikitry ny manampahefana isan-tsokajiny sy ny tompon’andraikitra ao amin’ilay orinasa ka voalohany amin’izany ny fitsaboana ireo maratra, fa eo ihany koa ny fampahafantarana ny mombamomba ireo namoy ny ainy sy ny fampandrenesana ny fianakavina. Ilaina ny fanokafana fanadihadiana ny amin’ny anton’izao loza mahatsiravina izao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT