Actualités

Lozam-pifamoivoizana Fiara Polo nofaohan’ny kamiao nandratra olona telo


  • Alarobia 05 Mey 2010


Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Avarabohitra Itaosy afak’omaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora. Fiara Polo miloko mena ranombalahy iray avy any Andranonahoatra no nofaohan’ny kamiao be iray avy any Antanimenakely Ampitatafika. Niakapoka tany amin’ilay vavahady vy be miditra mankany an-tranon’olona, monina eny amin’iny lalana iny ilay fiara Polo vokatr’izany ka potika tanteraka ny lohany. Mbola nandeha ihany anefa ilay fiara ka tafaverina teny amin’ny arabe vao nijanona. Vokany, olona telo no naratra mafy. Anisan’izany ilay mpamily izay mampanahy tokoa ny ainy amin’izao fotoana izao. Tsy dia ahiana kosa ireo namany roa hafa niaraka taminy tao anaty fiara. Marihina fa tsy hita ilay kamiao be nandona ity fiara Polo ity sy ny mpamiliny hatramin’ny omaly. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT