Fiara telo be izao no nifandona tany amin’ny lalampirenena faha 7 teo Ilempona omaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro
.Kamio iray, fiara Sprinter iray sy fiara 4x4 izay samy nitondra mpandeha moa.Mafy ny fifandonana ary dia 5 no fantatra fa namoy ny ainy ka zazakely ny 2 amin’ireo araka ny tarehimarika farany voaray omaly hariva.Nisy koa anefa ireo naratra ary tena voa mafy tokoa.Potika tanteraka, nikarepoka araka ny fomba fiteny ny lohan’ilay fiara sprinter, tafasisika tao ambanin’ilay kamio kosa ilay fiara 4x4..Voalaza moa fa maty teo no eo ny mpamily io fiara sprinter io.Miteny ho azy ny sary fa fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka niteraka izao fahafatesana sy faharatrana ao anatin’ny taom-baovao izao.Matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana ny RN7 noho ny lalana miolakolana ary misy faritra sasany tery, fahendrena noho izany ny matotra tsara amin’ny familiana fiara sy tsy mandeha mafy loatra na ihany koa mandray zava-pisotro misy alikaola na zava-mahadomelina satria mety tena ho vidiana lafo ny iray segondra monja nahavariana.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.