Raha mba niato kely ny ranobe sy ny fihotsahana tany dia tonga indray ny valala. Vola mitentina 6 ,1 tapitra dolara no ilaina hanohizana ny ezaka natao teo anelanelan’ny taona 2014-2015 nefa tsy mbola vonona izany, araka ny nambaran’ny FAO.
Efa tamin’iny volana martsa iny anefa no tapitra ny fampiasana ny tetibola hoenti-mamono valala eto Madagasikara, araka ny fanambaran’ity sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny ara-tsakafo sy ny fambolena ity. Nampitandrina mihitsy ry zareo fa ho tandindomin’ny tsy fahampiana ara-tsakafo ny vahoaka, indrindra ireo mivelona amin’ny fambolena any ambanivohitra, raha miato ny fanatanterahana ny fandaharan’asa. Ahiana hitombo ny andiam-balala hiparitaka, manomboka izao, ka ho very maina ny asa natao teo aloha, hoy ny teknisianina tao amin’io sampandraharahan’ny Firenena mikambana io. Efa nisy andiam-balala voatily tany amin’ny faritra Bongolava tamin’ny herinandro teo, araka io tatitra io. Valala vao foy ireo. Efa hanaovan’ny FAO fandinihana, hamaritana ny habetsahany sy ny velaran-tany efa tratrany handraisana ny fepetra haingana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.