Olona miisa 8 no indray namoy ny ainy tao Ivory, ao anatin’ny kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa, akaikin’ny gara na ny “cercle de cheminot”, ao an-toerana.
Teo am-piandrasam-paty izy ireo ny alin’ny alahady 7 janoary hifoha omaly alatsinainy no tra-doza satria nihotsahan’ny tany tampoka ny trano nisy azy, ka nirodana, izay nanototra ireo fianakaviana ireo. Nifanome tanana niara-nikaroka ny razana ny rehetra nanomboka ny alina, ka ny olona 3 no hita voalohany, izay nialana nenina tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ainy. Nitohy hatramin’ny omaly maraina ny fisokirana azy ireo, izay voatery nampiasana angady mihitsy ny fangadiana ny tany noho izy nifatratra be, ka hita avokoa ny 5 ambiny omaly maraina, izay efa tsy nisy aina avokoa. Nahonena ny nijery ireo razana, indrindra ireo zaza miisa 2, taorian’ny fangadiana sy fanilihana ny tany nanototra azy ireo. Tafakatra 9 niaraka tamin’ilay razana nandrasana ny faty tao amin’io tokantrano io. 43 taona no zokiny indrindra, ary zaza 11 volana no zandriny indrindra tamin’ireo namoy ny ainy. Vehivavy iray no hany velona tao anatin’ity fianakaviana. Marihina fa trano somary ankodahoda eo amina tany narenina manamorona ny gara no nisy ity trano nihotsahan’ny tany ity. Nandefa mpamonjy voina nanampy ny mponina ny manampahefana tao Fianarantsoa. Omaly ihany dia tonga teny an-toerana ny minisitry ny fampianarana ambony, Rasoazananera Marie Monique sy ny ben'ny tanànan'i Fianarantsoa, Harilalaina Irma Juliandres. Nanolotra lamba sivy sy "formole" atao amin'ireo razana ny solontenam-panjakana nandritra ny vonjy rano vaky nataony omaly. Natao vonjimaika ireo fa mbola ho avy ny fanampiana ireo fianakavian'ireo niharam-boina. Nentina niaretan-tory tao amin'ny lapan'ny Faritra ireo nofo mangatsiaka omaly alatsinainy. Anio kosa no hoentina mamonjy ny fianakaviany izy ireo. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny fanaterana ireo razana rehetra any amin'ny faritra misy azy avy, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Sesilany ny fihotsahan’ny tany amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Ny faramparan’ny volana desambra 2017 nivalona teo no nisian’ny tranga tahaka ity, izay namoizana ain’olona miisa roa tany Andilanatoby. Mila mailo lalandava amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany na ireo loza hafa mety hiseho amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.