Ankizy sy tanora mpikambana amin'ny Sampana Mpanazava sy Tily (SaMpaTi) sy Sampana Tanora Kristianina (STK) avy amin’ny Fiangonana FJKM any amin’ny Synaodam-paritany Soavinandriana
Itasy no tra-doza ny alatsinainy teo manodidina ny tamin’ny 12 ora alina, raha saika hamonjy ny zaikaben’ny STK any Mahajanga. Vokatry ny loza nahazo ny fiarabe « Boeing » misy rihana nitondra azy ireo no antony, ka manodidina ny 30 no maty araka ny antontan’isa navoakan’ny fitondram-panjakana. Ny 18 efa tonga tetsy amin’ny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha omaly, ary 5 kosa ny tany amin’ny hopitalin’Ankazobe. 80 mahery ireo naratra, raha ny angom-baovao natao. Olana ara-teknikan’ny fiara no voalaza ho anton’ny loza satria teo Imerintsiatosika dia efa nijanona nanamboatra izy ireo, ary mbola nijanona teny Anosibe indray avy eo. Niseho kosa ny loza tany amin’ny 23 km tsy hidirana an’Ankazobe. Tsy tafiditra ny “vitesse” kanefa nisy fiakarana kely, ka sahirana teo ilay mpamily ary nivoaka ny mpanampy azy saika hijery ny motera saingy nitorina ny fiara, ary tsy voatazona intsony. Lasa tany amin’ny hantsana hatrany amin’ny 10m. Nivadibadika in’efatra, ka teo amin’ny fivadihana fanindroany no nanomboka nirehitra ny taoriany ary vetivety dia nihanaka ny afo, ary nipoaka io fiarabe io avy eo, araka ny fitantaran’ny Pasitera Saholy avy amin’ny fiangonana Ambohimandroso Finoana sady mpikamba avy amin’ny komity foibe. Be ny sempotra indridra ireo nipetraka tany amin’ny rihana ambonin’ny fiara. Ny tao ambany mba afaka nivoaka ihany fa ny tao ambony no tena sahirana. Marihana fa ny tompon'ny fiara mihitsy no nitondra ilay fiara, ary isan’ireo naratra nandritra ity loza ity. Saika nombana fianakaviana ny ankamaroan’ny mpandeha, ka nisy 5 mianaka niaraka, ka ny 2 maty; nisy zazakely ninono niaraka tamin’ny reniny maty tao,… Heverina ho mbola mihoatra noho izany ny antontan’isan’ireo maty satria nisy ireo voalaza fa kila forehitra tao anatin’ny potik’ilay fiara izay hotohoton’ny afo tanteraka. Hanolotra 6 hetsy ariary avy hikarakarana ireo razana sy 3 hetsy ariary ho an’ireo naratra ny fanjakana, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Hopitaly HJRA omaly. Hiantohan’ny fanjakana ihany koa ny fandaniana rehetra tamin’ity loza ity.
Nihoatra ny vesatra nentin’ny fiara
Mifamahofaho tanteraka kosa ny isan’ny olona nandeha tao anatin’ity fiarabe ity satria raha ny lisitry ny mpandeha voasoratra, izay efa miparitaka amina serasera isan-karazany, dia 83 izy ireo no tao anatin’ny fiara. Tsy hay kosa anefa na lisitra efa nialan’ireo namoy ny ainy izany. Raha ny nambaran’ny pasitera Saholy mantsy, dia manodidina ny 140 izy ireo no tao anatin’ny fiara, niampy ny vatsy ao anatin’ny 10 andro. Tsy fantatra mazava izay tena isa marina tao anatin’ny fiara, saingy heverina ho nihoatra ny tokony ho izy ihany ary mbola nampian’ny entana sy ny vatsy. Tompon’andraiki-panjakana voalohany tonga tany Ankazobe ny Minisitry ny fitaterana Benjamina Ramarchel Ramanantsoa, izay nilaza fa ho henjana ny sazy sy ny fepetra amin’ireo tompon’antoka tamin’ny tandrevaka, ka niteraka ny loza.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.