Nandray an-tanana ny fikarakarana ny razan’izy 7 mianaka maty noho ny firodanan’ilay vatobe teny Ampamarinana ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) teo ambany fitarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy eny amin’ ny boriborintany faha-4 notarihan’ny depiote Depiote Felix Randriamandimbisoa sy ny delege Solofo nanomboka tamin’ny fisokirana ny razana, ny fitondrana azy ireo teny amin’ny hopitaly.
Teo ihany koa ny fikarakarana ny vata nitondrana ny razana teny amin’ny INFP Mahamasina hiandrasana azy ireo. Mbola hisy ny fanolorana fanampiana hiandrasana ny razana eo an-toerana, araka ny fampitam-baovao voaray. Nankahery ireo fianakaviana mana-manjo ihany koa ny kaominina Antananarivo Renivohitra ary nanome toky fa mbola afaka mitondra fanampiana sy fanohanana azy ireo amin’ny fotoana rehetra ilana an’izany.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.