Actualités

Loza tany Anjozorobe Hanao fisaonana ny mponina


  • Alatsinainy 06 Febroary 2017

Nikipian’ny fitondrana Rajaonarimampianina tanteraka ny resaka fisaonam-pirenena manoloana ny faty olona marobe vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Anjozorobe ny sabotsy 28 janoary 2017 teo.

Nahatratra 47 ireo maty, saingy na iray andro monja natokana hisaonana aza tsy nisy mba ho fiaraha-mientana sy fiombonam-po, latsa indray aza no nahazo ireo niharam-boina. Rehefa nohadinoina ny vahoaka any Ambongamarina, fiavian’ny ankamaroan’ireo niharan-doza, dia hanatanteraka fisaonana manokana noho ireo mpiara-monina sy ny fianakaviana namoy ny ainy vokatr’iny loza mahatsiravina iny. Tsy hisy ny fety aman-danonana mandritra ny andro maromaro, ary hampidina ny sainam-pirenena ho eny antenantenany ny any an-toerana. Andro maloka sy nangidy indrindra ho an’ny vahoaka manontolo tao Ambongamarina ny fisian’iny loza iny, ary mariky ny fanehoam-pitiavana sy fanomezam-boninahitra ireo namoy ny ainy izao fanapahan-kevitra hanao fisaonana ho azy ireo izao.

Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT