Loza amin’antambo no nitranga tany Anjozorobe ny marainan’ny sabotsy 28 janoary teo.
Olona miisa 47 hatramin’izao no namoy ny ainy, ary 24 naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tany amin’ny lalam-pirenena faha-3 mihazo an’Anjozorobe. Fiara kamio lehibe miloko fotsy niala tao Ambongamarina Anjozorobe, izay nitondra fianakaviana hamonjy raharaham-panambadiana ho any Ampaneva Manjakandriana no tra-doza teo amin’ny tetezan’i Mananara, izay mampitohy ny kaominina Ambongamarina sy Ampaneva. Mifamohofaho tanteraka hatreto ny isan’ny mpandeha rehetra, fa raha ny tatitra avy amin’ny fitondram-panjakana, dia tsy mbola misy isa mazava hatreto. Ny loharanom-baovao hafa kosa, dia milaza fa 70 ireo mpandeha tamin’io kamio, izay raha ny ara-dalàna dia tsy afaka mitondra mpandeha. Mbola mitohy rahateo ny fikarohana ataon’ny eo anivon’ny BNGRC ireo razana hafa izay mbola any anaty rano, raha ny vaovao azo farany. Anisan’ny namoy ny ainy nandritra ny loza ireo mpivady vao saika hatao raharaha. Miisa 10 tamin’ireo 47 namoy ny ainy no mbola zaza latsaky ny 10 taona. Fianakaviana miisa 6, izay nahitana ankizy sy olon-dehibe ihany koa no niara-maty avokoa. Nentina tao amin’ny CSB II Anjozorobe avokoa ireo namoy ny ainy, ary maro tamin’ireo naratra no voatery nakarina aty an-drenivohitra sy mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Efa nisy ny vonjy rano vaky nataon’ireo solontenan’ny fitondram-panjakana, nahitana ny minisitry ny fahasalamana Lalatiana Andriamanarivo, minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Ramarcel Benjamina Ramanantsoa, ny minisitry mponina Onitiana Realy. Misy mpitsabo manokana nalefa any an-toerana ary nanolotra fanafody sy “formol” hampiasaina amin’ireo razana ireo solotenam-panjakana, ankoatra ny fitondrana ny teny fampiononana sy ny fao-dranomaso ho an’ireo fianakaviana niharam-boina.
Efa norarana
Araka ny fanazavan’ny mpandeha iray dia efa norarana ihany ny mpamily tsy handeha mafy ary efa nisy mihitsy aza ny nangataka ny hanajanona ny fiara hifindran’ireo mpandeha amin’ny taksibrosy raha mbola mitohy ny fitrifanana. Kinanjo iny moa ny zava-nitranga. Olana any amin’ity toerana miala 90 kilaometatra an’Antananarivo ity kosa, raha ny filazan’ireo mponina, ny tsy fahampian’ny toeram-pitsaboana sy mpitsabo fa eo ihany koa izay tsy fahampian’ny fitaovam-pitaterana izay. Matetika ireo hamonjy raharaha no mandeha dia an-tongotra kilaometatra maro na koa mitaingina ireny kamiao mpitaona entana ireny. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny mpitondra amin’ny tokony hanaovana fisaonam-pirenena izay tsy nisy hatramin’ny nisian’ny loza mahatsiravina nahafatesana olona marobe, toy ilay 38 tany Ikalamavony, ireo 8 teny Ankasina…fa ireo masoivoho vahiny indray no nampidi-tsaina nandritra ireny andro maloka teto amin’ny firenena ireny.
Mirija / Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.