Actualités

Loza be tany Tsaratanàna Olona 27 maty, omby 3067 lasan’ny dahalo


  • Zoma 15 Desambra 2017

Hanao hazalambo ireo dahalo mandripaka ny distrikan’i Tsaratanana, indrindra fa ireo dahalo ambony latabatra sy ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo mponina any Tsaratanana, tarihin’ny solombavambahoaka Ratefiarivony John.

 

 Raha ny fanazavany, mahazo vahana tanteraka ao Tsaratanana  ny tsy fandriampahalemana. Olona miisa 27 no efa maty novoinoin’ny dahalo hatreto. Ny lefitry ny sefom-pokontany iray any an-toerana, ohatra,  dia nokapain’ireo dahalo mihitsy ny tendany saingy tsy maty. Omby miisa 3.087 ihany koa no efa lasan’ny dahalo,  miampy vola 46 tapitrisa Ar. Tao anatin’ireo trangana asan-dahalo miisa 82 avokoa ireo rehetra ireo. Nanambara Ratefiarivony John fa tsy lazaina intsony ireo olona maratra novonoina. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy any amin’ity distrika iray ity izy ireo.  Marihina moa fa manana ahiahy ny amin’ny mety toerana hitobian’ireo omby halatra alaina avy any amin’ity distrika iray ity ny solombavambahoakan’i Tsaratanana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT