Actualités

Loza ateraky ny andro ratsy Hitadiavam-bahaolana ny hampihena azy


  • Alakamisy 22 Martsa 2018

Hankalazaina ny 23 martsa ho avy izao ny andro maneran-tany ho an’ny toetr’andro.

 

 Tsy niandry ela fa nanomboka omaly ihany dia efa nanokatra izany  tamim-pomba ofisialy ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby na ny météo ka tetsy Anosy no nisantarana azy tamin’ny alalan’ny fampirantiana maro samihafa.  Fantatra fa betsaka ireo antony mahatonga ny toetr’andro eto amintsika hivadika tanteraka,  izay  lasa miteraka olana hafa indray. Anisan’ireny ny fandripahana ny ala, izay mahatratra 36.000 ha isan-taona no simba manerana ny Nosy, ny fanaovana tavy…. Mifampiankina betsaka amin’ny ala  anefa ny toetr’andro amina firenena iray raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro  satria izy ireny no miantoka ny hamaroan’ny orana latsaka …. Nisy avy hatrany moa ny fampahafantarana ny olona mikasika izany mba hahafahan’ny rehetra mandray ny andraikiny. Diabe hiainga etsy Anosy no hanohizana ny hetsika amin’ny sabotsy ho avy izao, mihodidina ny farihin’Anosy.  Tsiahivina fa ny hahafahana mampihena ireo karazana loza ateraky ny andro ratsy no tena tanjona amin’izao fankalazana maneran-tany izao ao anatin’ilay lohahevitra hoe : toetr’andro, toetry ny andro, iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT