Hikatso ny raharaha eny anivon’ny fadintseranana manomboka ny alarobia 2 mey satria nanamafy ny hanampy tosika ny hetsi-pitolomana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny mpiasa, raha ny nambaran’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ladoany SEMPIDOU, Herizo Andrianavalona ny sabotsy lasa teo.
Tsy hisy hamonjy ny biraony intsony ny mpiasan’ny ladoany manerana an’i Madagasikara raha ny fanambaran’io mpitarika io. Izahay tsy matahotra ramatahora. Ataovy daholo ny fandrahonana fa izahay tsy hihemotra hatramin’ny farany ary ho avy, hoy izy. Ho an’ny mpitondra fanjakana, raha nisy fanjakana nanenjika sendika teto Madagasikara dia ianareo no voalohany tamin’ity firenena ity. Tsotra ny hafatra hoe na tsy hasondrotrareo aza ny karaman’ny mpiasam-panjakana, na hosakananareo ny karaman’ny mpiasam-panjakana, dia miantso ny mpiasam-panjakana rehetra hijoro sy tsy hanaiky lembenana intsony manomboka izao, hoy izy. Fatiantoka goavana ho an’ny firenena, ary sokajiana ho loza amin’antambo mihitsy ny fikatsoan’ny fadintseranana. Firenena tsy mbola mahavelon-tena amin’ny harena ao anatiny noho tsy fahaiza-mitantana sy ny famadihana ireny ho harin-karena ny Malagasy, ka mihoatra lavitra noho ny fanondranana ny fanafarana entana avy any ivelany mitaha amin’ny fanondranana. Mampitotongana hatrany ny sandam-bola Malagasy io fanafarana ambony be noho ny fanondranana io. Ny filana fototra andavanandro dia saika hafarana avy any ivelany avokoa ka mazava ho azy fa hanafaingana ny krizy io, raha raikitra eo tokoa. Hatramin’ny famatsiana solika dia hikatso ka ho loza mitatao ho an’ny firenena ity toe-javatra ity, raha tsy mivaha ny krizy ara-politika efa manomboka hita ny fiantraikany eo amin’ny toekarena. Ny fadintseranana ihany koa no mampidi-bola be indrindra ao anatin’ny kitampom-bolam-panjakana eto amintsika satria mahatratra hatrany amin’ny 5 miliara ariary isan’andro any ho any izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.