Ny ampitson’ny fanamarihana tamim-pomba ofisialy ny andron’ny vehivavy ny 8 martsa teo, nisian’ny diabe teny Anosy nandraisan’ny olona 20 000 ka hatramin’ny 23 000 anjara, dia nisy ny fanadiovana faobe teny an-toerana omaly.
Ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroana ny vehivavy na ny MPPSPF no nitarika sy niahy izany tamin’ny alalan’ny asa tanamaro na Himo. Nanomboka tamin’ny 6 ora maraina no nanaovana azy io, ka ray sy renim-pianakaviana miisa 300 isa avy amin’ny fianakaviana sahirana no nanatanteraka ny asa fanadiovana ny làlana 2km manodidina ny farihin’Anosy sy ny toerana hifamezivezen’ny daholobe, toy ny teo anoloan’ny Lapan’ny Fitsarana, nisian’ny sehatra lehibe nanaovana fampisehoana ara-java-kanto nandritra ny andron’ny vehivavy. Isan’ny tena nisavovona ny loto teo amin’io toerana io. Nodiovina tanteraka ihany koa ny loto rehetra nataon’ny olona tamin’iny faritry ny fitsarana iny, mba hisorohana ny fofona maimbo aterany, kanefa toerana manana ny maha izy azy izany amin’ny tranom-panjakana azy. Tsy namela ny loto nandritra ny fetin’ny vehivavy araka izany ny Minisiteran’ny mponina, fa nampiseho fihetsika filamatra sy mendrika halain-tahaka dia ny tokony hitandroana sy famerenana hatrany ny fahadiovana rehefa vita ny natao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.