Nampalahelo ny nahazo ity tovolahy iray monina any Marivana Tsinjoarivo tamin’ny farany herinandro teo.
Raha variana nanao ny asany andavanandro iny izy no nisy telo lahy nisambotra azy ary nandidy ny mahalehilahy azy. Rovitra tanteraka ny mahalehilahy azy vokatr’izany. Tsy mbola fantatra hatreto hoe inona no antony nahatonga ireo telo lahy nanao izao fihetsika tsy mendrika tamin’io tovolahy io. Soa ihany fa vetivety dia nisy nahita ny fahavoazany raha tsy izany dia nanaraka hatramin’ny ainy. Efa nahazo fitsaboana tao amin’ny hopitaly Ambatondrazaka io tovolahy io ary efa namonjy ny fianakaviany any Tsinjoarivo.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.