Actualités

Lodsia Toliara 4 000 Ariary ny iray kilaon’ny eny an-tsena


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Nanomboka ny faran’ny herinandro teo, efa hita eto an-drenivohitra ny lodsia ary 1 500 Ar ny iray kilao teny amin’ny tsenan’Ampasampito sy Mahazo, izay tsy mbola tsara kalitao ireo tonga

 

. Fa mbola lafo dia lafo kosa, manodidina ny  4 000 Ariary ny iray kilaon’ny lodsia ao Toliara, izay lodsia avy any Manakara sy Toamasina ireo tonga, nefa dia ifandrobahan’ny mpanjifa sahady, raha ny nambaran’ireo mpivarotra sy mpanangom-bokatra.

Ratsy kalitao

Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana azo hatrany, dia aorian’ny 15 novambra, saika isan-taona dia azo hohanina tsara ny lodsia. Noho ny fahataran’ny orana tamin’ity taona ity anefa dia somary ratsy kalitao sy tara ny vokatra. Anisan’ireo voly fanondrana mampiditra vola vahiny ho an’ny firenentsika ny lodsia ka ifanenjehan’ireo mpanangom-bokatra ho an’ny mpanondrana. Hany ka ny kalitao ratsiratsy sisa tavela ho an’ny tsena anatiny.

Eric R.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT