Hisokatra eo anelanelan’ny 16 hatramin’ny 19 novambra 2015 ny taom-piotazana lodsia, araka ny tapaky ny fivoriana notanterahan’ny foibe teknika sy ny fambolena ao Toamasina
. Efa mivonona amin’izany rahateo ny vondron’ireo mpanondrana lodsia ary efa tonga any an-toerana ihany koa ireo mpanangona sy mpitatitra vokatra. Lasa aloha tahaka ireo taona roa teo aloha moa ny fahamasahan’ireo vokatra hazo fihinam-boa saingy miandrandra taom-piotazana tsara kosa ireo mpandraharaha amin’ity indray mitoraka ity. Eritreretina hahatratra hatrany amin’ny 18.000 taonina rahateo ny fanondranana lodsia hiditra ao amin’ny tsena eoropeanina izay tinady fototra sy midadasika ho an’ity voankazo fanondran’i Madagasikara ity. Sarotiny amin’ny lafiny ara-pahasalamana ny Vondrona eoropeanina ary mitaky fanajana ireo mason-tsivana ara-barotra ihany koa ireo mpividy any an-toerana. Raha tsorina dia mila manaraka ny fenitry ny tsena eoropeanina ny lodsia Malagasy. Goavana indrindra amin’izany, ohatra, amin’izao fotoana izao ny fanajana ny fetra amin’ny fampiasana ny «dioxyde de soufre». Antony iray nampihantona ny fanondranana ara-barotra tany Alemana nandritra ny taom-piotazana 2010-2011 moa ity trangan-javatra ity.
Ramano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.