Actualités

Lodsia fanondrana «750 ariary ny iray kilao»


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


«Tsy azo ekena ny fanararaotana ny tantsaha amin’ny fanaovana ny lodsia amin’ny vidiny mora ; tsy maintsy hakarintsika izany vidina lodsia izany amin’ity taona ity». Tenin’i Andry Rajoelina io raha nandalo tao Toamasina izy talohan’ny fifidianana teo iny. Fantatra anefa izao fa 750Ar no andraisan’ny mpanondrana ny kilaon’ny lodsia, raha efa tafakatra 800 ka hatramin’ny 1000 ar izany ny taona lasa ary efa nisy tafakatra 1.400 ariary tamin’ny fitondrana teo aloha. Midika izany fa tsy maintsy ho 250 ar hatramin’ny 300 ar ny kilao eny amin’ny tantsaha, ary hanodidina ny 3.600Ar ny kesika milanja 12 kg ary 4.500 ar ho an’ny kesika 15 kg izay famarana hany fampiasa amin’ny lodsia.

Ny vola miala amin’ny mpanangom-bokatra anefa dia mbola eo ny 135.000 Ar patantin’ny fiara iray, miampy 7.000 ar isaky ny fiara fanampiny, eo koa ny 30.000 ar saram-piantsonana. Fantatra koa aza izao fa niakatra ho 40 ar isaky ny kilao koa ny tamberim-bidy alain’ireo Kaominina raha 20 ariary izany teo aloha. Ho an’ireo tsy manana fiara kosa amin’izany dia 300.000 ar hatramin’ny 400.000 ar ny hofan’ny fiara iray mahazaka entana 1,5 ka hatramin’ny 2 taonina. Efa mitobaka eny an-tsena koa anefa ny lodsia ankehitriny. Raha 2.000 ariary ny kilao roa andro lasa izay, izao efa tafakatra 2.500 ka hatramin’ny 3.000 ariary. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT