Actualités

Lisi-pifidianana nohavaozina Betsaka ireo olom-pirenena noverezin-jo


  • Alarobia 05 Aogositra 2015

Ambany dia ambany ny taham-pandraisan’anjara tamin’ny fifidianana kaominaly ny zoma 31 jolay 2015 teo.

 

 Naneho ny heviny momba azy io ny minisitry ny Raharaham-bahiny Attalah Béatrice. Miteraka resabe sy mampimenomenona ny maro hatrany ny lisi-pifidianana, araka ny fanamarihan’ity filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita teo aloha ity. Adidin’ny tsirairay anefa ny mandeha misoratra anarana hiditra ao anaty lisitra mandritra ny fe-potoana voafetra, araka ny voasoritry ny lalàna, ka tsy azo sokafana amin’izay mahamety azy. Ilaina ny finiavan’ny isam-batan’olona feno 18 taona manatona ny eny anivon’ny fokontany fa tsy tokony hiandry lava ny vanim-potoana ny fifidianana vao taitra. Tsy misy izany lisi-pifidianana tonga lafatra izany saingy azo atao kosa ny manatsara izany, hoy izy. Fanahy iniana no andikan’ny mpanara-baovao io filatsahan’ny salan’isa fahavitrihan’ny mpifidy io. Tsy mitombina ny hoe manana kara-pifidianana nefa tsy hita tao anaty lisi-pifidianana nohavaozina izany, ho azy ireo. Famerezan-jo ny olom-pirenena haneho ny safidiny malalaka tsotra izao kosa iny trangan-javatra iny ho an’ireo fikambanana avy amin’ny fiarahamonim-pirenena.

Ramano F. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT