Nivoaka tamin’ny fahanginany Atoa Rasolomanana Desiré, filohan’ny Fonkotany eny Ilafy, Kaominin’Ankadikely, Distrikan’Avaradrano.
Herinandro lasa izay dia nampangain’andian’olona tamin’ny haino aman-jery iray eto an-drenivohitra ity filoham-pokontany ity fa mikononkonona hala-bato hampandresena ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy sahady. Nahatsiaro afa-baraka sy voatohintohina ity Raiamandreny ity ka niezaka mba nitondra fanazavana. Ireo anaran’olona 300 izay hita tao amin’ny lisitry ny Fokontany dia lisitra fanampiny vita taorian’ny fanisam-bahoaka taorian’ny fifidianana farany teo. Araka ny fomba mahazatra ny Fokontany dia mahazo manara-maso ny anarany ao avokoa ny mponina ao amin’ny fokontany ka izany ihany koa no nahitana an’ingahy Emile, mpikambana tao amin’ny birao fandatsaham-bato farany teo nitondra lisitra misy ny anaran’ny fianakaviany sy ny olom-patany mba hohamarinina. “Fanosoram-potaka tsotra izao no natao anay”, hoy ingahy filohan’ny fokontany. Ho an’Atoa Ravelonanosy Bruno, mpitarika ny antoko HVM eny Ankadikely Ilafy indray dia tsotra ny fanazavany : “hazo avo halan-drivotra ka izany no mahatonga ny tsy tia mamonorona izao lainga rehetra izao. Ahoana no hananan’ny antoko HVM “Bulletin unique” sahady kanefa ilay izy aza tsy vita pirinty akory”.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.