Actualités

Lisi-pifidianana kaominaly Nabontsina noho ny kajikajy politika


  • Zoma 14 Aogositra 2015

«Lisi-pifidianana nibontsina noho ny kajikajy politika, tsy fahafantarana na koa tsy firaharahiana hatrany no niatrehantsika fandatsaham-bato teto Madagasikara

 

hatramin’ny taona 2013 nanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka», hoy ny mpikambana ao amin’ny Ceni-T sady mpiaro ny zon’olombelona Rafolisisoa Hanitriniala. Tsy maintsy niroso tamin’ny fanadiovana azy io ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita mialoha ny fanatontosana ny fifidianana kaominaly manerana ny Nosy ny 31 jolay 2015 teo. Nisy ny fampiasana fitaovana «logiciel» arifomba nanadiovana ireo antsoina hoe «doublon» na fiverimberenan’ny anarana olona iray im-betsaka ao anatin’ny lisi-pifidianana. «Ny tsy fanatanterahana fifindra-monina ara-dalàna no antony lehibe tsy nahitana ny anaran’ny olom-pirenena iray  tao anaty lisi-pifidianana fa tsy hoe fanahy iniana nalatsaka na nesorina tsotra izao», araka ny fanazavany. Ankoatra ny lisi-pifidianana  voadio dia mananjo ny olom-pirenena hanamarina ny anaran’izy ireo ao anatin’ilay lisi-pifidianana nahitana «doublon» na ilay antsoina hoe «liste électorale mère», hoy ity mpiandraikitra ny fiarovana ny zon’olombelona ao amin’ny CENI-T ity.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT