Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny toeram-pilanonana JJ House eny Alasora ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny fikambanana Lions club Antananarivo Iarivo teo aloha Rakotomalala Henri Jacques sy ny filoha vaovao Razafindramalo Samisoa. Herintaona katroka no nitondran’ity farany sy nitantanany ny fikambanana, niatrehany sy nanatontosany asa soa 12 karazana izay saika mahakasika ny fiainan’ny mponina andavanandro avokoa. Anisan’izany ny asa fanamboarana ny sekoly Ceg ao amin’ny kaominina Soavina, distrikan’Antananarivo Atsimondrano izay hotokanana ny 25 jona ho avy io, ny fanomezana rano fisotro madio ny mpianatry ny Epp Ao Ambohimanambola izay marihina fa tsy nanana rano nandritra ny 20 taona. Tratra ny tanjona napetraka tamin’ny taon-dasa, hoy ny filoha teo aloha raha nandray fitenenana sy namariparitra ny asa vitany izy. Vonona kosa ny filoha vaovao hanohy ny ezaka efa natomboka ary hanao mihoatra lavitra noho izany. Io no fampanantenana nataony raha namaly izany izy. Tsy hikely soroka ny tenany sy ireo mpikambana miaraka aminy hanasoa ny mpiara-belona sy hanandratra avo ny anaran’ny fikambanana. Mpikambana roa vaovao no noraisina nandritra ny lanonana, nanatanteraka fianianana teo anatrehan’ireo mpikambana Lion sy Lionne rahavavy manerana ny Nosy. Tsiahivina fa miisa 20 ny mpikambana ao amin’ny Lions club Antananarivo Iarivo ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.