Actualités

Lietnŕ kolonely Charles Mitady azy isan’andro ireo zanany kamboty


  • Alakamisy 02 Desambra 2010


Fahoriana tanteraka ny an’ireo zanaky ny lietnà kolonely Charles Andrianasoavina amin’izao fotoana izao. Efa maty moa ny renin’izy telo mianadahy ary ny rainy no miahy azy ireo. Amin’izao fotoana izao anefa tazonina am-ponja any Tsiafahy ny rainy. 

Malahelo ireo ankizy saingy tsy afa-manao inona manoloana ny resaka politika. Manontany tena izy ireo ny amin’ny hoe f’angaha moa tsy ny rain’izy ireo no nametraka an-dRajoelina teo amin’ny fitondrana ? Telo mianadahy moa ny zanak’ity kolonely voarohirohy tamin’ny resaka BANI ity ary 16 taona ny zokiny indrindra raha vao 8 taona kosa ny zandriny indrindra. Na eo aza ny fianakaviana izay miahy ireo zaza dia mitady ny rainy foana isan’andro ilay zanany lahy farany. Araka ny fantatra dia mitomany mihitsy izy indraindray no sady miondrika sy misento. Hanao ahoana ny hoavin’ireto ankizy ireto atsy aoriana kely ?
 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT