Actualités

Lietna-Kolonely Charles “Be loatra ny mpijapy masinina”


  • Alarobia 07 Jolay 2010


Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia nilaza ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina fa «be loatra ny mpijapy masinina amin’ny zava-misy ankehitriny». Toa milaza izany fa ny olona tsy nanao inona no maro amin’ny FAT amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina dia isan’ireo olona tsy manaiky ny tsy rariny ity manamboninahitra iray ity. Izy no anisan’ireo nilaza mangaraharaha tamin’ny mpanao gazety ny mikasika ny FIS. Tamin’izany no nilazany fa tsy misy didim-panjakana na lalàna mifehy io FIS io. Nitaky ny hamoahana izany izy tamin’izany fotoana kanefa hatramin’izao tsy misy izany. Taorian’io moa dia tsy hita niaraka tamin’ny FIS intsony ity kolonely ity. Dia ireny niaraha-nahita ireny ny zava-doza nataon’ireo FIS na tany Marovoay izay naka Karana an-keriny, na teny Ambohibao naka vola an-keriny tamina vazaha…

Ny mahagaga dia tsy misy koa ny filazana ofisialy fa niala tao izy. Omaly kosa izy raha anisan’ireo voaasa nanatrika ny fanehoana voalohany ny Cercle de Reflexion de Fitovinagny na CR7 teny amin’ny trano fisakafoanana Mon Goûter Andrefanambohijanahary dia nilaza fa «aleoko aloha mangina fa mbola ho avy ny fotoana hitenenako».
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT