Actualités

Liban Mpiasa 12 voaroaka tonga teny Ivato


  • Zoma 18 Jona 2010


Omaly alina no tonga ny enina, ny enina kosa omaly tolakandro no tonga teny Ivato. Ny roa tamin’ireo no mitaraina mafy milaza fa marary. Ny iray aza dia voa any amin’ny lohany mihitsy ka avy hatrany dia nampidirina hopitaly etsy amin’ny Hjra. Nisy tamin’ireo mpiasa kosa no tsy nisy nitsena omaly satria tsy fantatry ny fianakaviany ny nahatongavan’izy ireo.

Araka ny voalaza teo anivon’ireo sendika niahy ireto mpiasa ireto dia voaroaka izy ireo izao afaka nody izao. Noho ny antony tsy fahafahan’izy ireo mamita asa intsony tao amin’ny mpampiasa azy no antony nandroahana ireo mpiasa ireo.
Na izany aza, ny zava-nisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly dia nahonena izay nanatri-maso mihitsy. Nisy ny renin’ny mpiasa iray tsy nino mihitsy hoe mbola ho velona ny zanany taorian’ireny filazana an-gazety saiky isan-kerinandro filazana fa nisy maty iray indray tonga avy any Liban.
Omaly io renim-pianakaviana io, hatramin’ny ora farany mihitsy nahitany ilay zanany fa tonga dia tsy mbola nino. Rehefa nahita ny zanany anefa izy, avy hatrany dia nandohalika ary namelatra ny tanany roa ka niandrandra ny lanitra. «Noheveriko ho efa maty io zanako io kanefa izao velona izao indray», hoy izy.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT