I Géria no anarany, 19 taona izy ary ny herintaona tamin’io dia nolaniany niasa tany Liban. Omaly izy no voatery nody avy any an-toerana noho ny fitaka sy ny tsy rariny ary manginy fotsiny ny fidarohana isan-karazany izay nanjo azy.
Raha araka ny fitantarany tamin’ny fahatongavany teny Ivato dia nandeha tsara tany am-boalohany ny asany. Tsara toetra no sady tsara fanahy rahateo ny mpampiasa azy. Ny indro kely dia voatery nifindra tany Frantsa io mpampiasa io noho ny antony arak’asa. Araka ny fifanarahana dia ny “Agence” hatrany no omena ny karama fa tsy tonga akory dia mandeha mivantana any amin’ny mpiasa. Nataon’ilay mpampiasa ara-dalàna izany ary vita ihany koa ny antontan-taratasy rehetra mifandraika amin’ny fifanarahan’ny asa. Ny zava-nitranga dia tsy tonga tany amin’i Géria mihitsy ny karamany. Narirariran’ilay “Agence” ary nony farany dia tonga saina ihany izy fa nakepoky ny tompon’andraikitr’io “Agence” io ny vola. Mba tsy hahasarotra ny raharaha dia
nanome vahaolana i Géria toy ny hoe hitadiavana asa hafa dia tsy maninona na tsy averina intsony aza ny karama. Dia nahitan’iretsy voalohany asa tokoa saingy ny fifampitondrana tao no olana. Nikasi-tanana ary mahery fihetsika ny mpampiasa, toy ireny tranga efa nanjo ireo malagasy maro maty sy naratra ireny ihany. Tsy tantin’i Géria intsony ny nanjo azy dia tapa-kevitra izy ny nametra-pialana. Dia mbola niverina tamin’ny tetsy aloha ihany ny nahazo azy : nakepoky ny “Agence” indray ny vola. Teo izany dia tsy nisy vola mihitsy voarainy ary na ny fijanonany tany an-toerana aza dia nananosarotra. Soa ihany fa mba nisy olona iray sendra mba tafaresaka taminy ary mba nanampy azy. Io ramatoa io no niantoka ny saran-dalany hatreo Johannesburg. Io ihany koa no mbola nampandre ny manampahefana malagasy dia ny ministeran’ny fitaterana izany. Ireo no niezaka nitady fiaraha-miasa tamin’ny zotra Air Madagascar mba hampodiana an’i Géria. Omaly tolakandro no nigadona tetsy Ivato io farany ary tonga nitsena azy teny ny fianakaviany, ny solontenan’ny ministera ary koa ny mpiahy ara-piarahamonina. Hisy ny fitoriana hapetraka momba ity raharaha ity raha araka ny nambaran’i Géria sy ny rainy.
r.d
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.