Izay vao nampidirin’ny birao maharitra sy ny “conférence des présidents” eny amin’ny Antenimieram-pirenena ao anatin’ny fandaharam-potoana holaniana ao
anaty fivoriana hitambarambe ho azon’ny besinimaro hatrehana ireo volavolan-dalàna roa mikasika ny fitatanam-bolam-pirenena dia ny LFR 2015 sy ny LFI 2016 ka hodinihana amin’izay ao anatin’ity fivoriana ara-potoana faharoan’ny eny Tsimbazaza amin’ity taona ity. Mbola nanamafy omaly ny depiote Razafimily Constance filohan’ny vaomieran’ny fitantanam-bola eny amin’ny Antenimieram-pirenena fa karazana “regularisation” ihany sisa io LFR io fa tsy tokony handaniana andro intsony ary efa tsy fandinihana izany intsony amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa izao fa ny tetibola vaovao no tokony hifotorana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.