Actualités

Leo fampanantenana lava ataon’ny FAT Nanao rodobe teny Fiadanana ny mpianatr’i Vontovorona


  • Alakamisy 22 Jolay 2010


Taorian’ny fiatoana kely nataon’ireo mpianatry ny sekoly ambony politeknika Vontovorona nandritra ny roa andro dia nanao rodobe niaraka tamin’ny sorabaventy nihazo ny Ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika etsy Fiadanana izy ireo omaly alarobia maraina. Niaraka taminy nandritra izany ny talen-tsekoly Andrianasy Philippe anisan’ireo delegasiona niaraka tamin’ny solontenan’ny mpianatra nitafa mivantana tamin’ny ministra Tongavelo Athanase. Fantatra taorian’izany fa efa vonona nanomboka omaly maraina ny tambin-karaman’ireo mpampianatra eny Vontovorona taorian’ny filankevitry ny ministra. Na izany aza anefa tsy maintsy misy ny fombafomba arahina, hoy ny ministra saingy efa miezaka ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany hanafaingana izany.

Tsy nahafa-po ny mpianatra io valin-teny io. Ho azy ireo mantsy dia efa tahaka izay hatrany no zava-nisy hatrany am-piandohana. Lazaina fa efa nivoaka ny tambin-karaman’ny mpampianatra nefa tsy misy akory. Ny fampianarana anefa eo an-daniny tsy misy fitohizany raha efa tokony ho niatrika fanadinana hiakarana ao amin’ny taona faharoa ny mpianatra ao amin’ny taona voalohany. Takian’izy ireo, araka izany, ny hahafantarana mazava izany fotoana hivoahan’ny volan’ny mpampianatra hahafahan’izy ireo mandray fepetra. Ireo mpampianatra rahateo araka ny tsiliam-baovao re dia tsy hampianatra mihitsy raha tsy efa eo am-pelatanan’izy ireo ny tambin-karamany tapany faharoa tamin’ny taona 2009 (heure supplémentaire). Hisy ny fivoriana hiarahan’ireo mpampianatra rehetra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rahampitso zoma handaminana ny raharaha. Anisan’ny tsy nahafaly ireto mpampianatra ireto ihany koa mantsy ny nandrenesany fa fetsifetsy izy ireo amin’izany tambin-karama izany. Marihina fa hivoaka anio ny vatsimpianarana ho an’ny taona voalohany raha mbola baraingo kosa ny an’ny taona sasany.

 
Patti
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasĂ na nomerika

Hijery ny tohiny
FTT