Olana goavana hatreto ny fanadiovana ireo lakandrano lehibe manondraka ny lemak’Antananarivo.
Lesoka hatrany ny lafiny fikojakojana ara-potodrafitrasa ary teo ihany koa ny tsy fifehezana ny fibosesiky ny rano. Tranga iray manamarina izany ny tondran-drano nianjady tamin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina farany teo. Vitsy ny masombolim-bary entina miatrika ny fotoam-pambolena 2015-2016 vokatry ny rano be loatra. Vinavinaina hatrany amin’ny 30 taonina moa ny filana amin’io taom-pambolena manaraka io, hoy ny filohan’ny federasion’ny fikambanana mpampiasa ny lemak’Antananarivo Andrianjafimahatratra Solofo. Fikasan’ny fikambanana ny hampiditra rano hanondraka ny velarantany 2.500 Ha amin’ny 15 jolay 2015 izay efa noresahan’izy ireo tamin’ny DRDR. Hisy rahateo ny fivoriana jery todiky ny federasiona amin’ny herinandro ambony handinihana ny resaka fambolembary sy ny tontolon’ny rano.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.