Actualités

Lehilahy mpivarotra basy Voasambotra teny 67 Ha


  • Alatsinainy 30 Novambra 2015

Ny alarobia 25 novambra 2015 lasa teo dia nisy polisy mpiara-miasa nanatona tao amin’ny Brigade Criminelle Anosy,

 

nanome vaovao fa misy lehilahy iray efa somary lehibebe manao blouson mainty mandehandeha ao 67 Ha mivarotra basy Poleta toy ireny pistolet automatique ireny. Mitondra cartable mainty izy io ary ao anatin’io dia misy toy ireny baiboly ireny ka ao anatin’io no misy ilay basy sy ny balany. Avy hatrany dia nandeha tany an-toerana ny polisy ao amin’ny Brigade Criminelle anosy sakelika faharoa. Tsy hita tamin’io tolakandro io anefa ilay olona fa ny hariva tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany vao tratra teo anoloan’ny trano fivarotana iray teo 67Ha Avaratra Atsinanana raha iny hiandry olona hividy ilay basy iny. Rehefa nosavaina izy dia tratra tany aminy tokoa ilay basy ary tao anatin’ilay zavatra toy ny baiboly, basy Pistolet Automatique marika UNIC CALIBRE 7,62mm court mitondra ny numero 134 495 miaraka amin’ny boite chargeur iray misy bala miisa 10. Raha ny filazany tamin’ny famotorana nataon’ny polisy dia namany iray antsoina hoe : Erno monina any Toamasina no nanome azy ilay basy mba hamidy aty Antananarivo raha tany Morondava teo am-pividianana trondro maina no nifankahitan’izy ireo.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT