Mpanao herisetra avokoa ny 70%-n’ny lehilahy. Raha araka ny tarehimarika nomen’ny tetikasa Sahala dia efa saika niharan’ny herisetra ny 70 %-n’ny vehivavy Malagasy manerana ny Nosy fa ny endrika hisehoany no samihafa.
Anisan’ny tena betsaka ireo hiharan’ny herisetra ara-tsaina, ny vono sy ny tsy fanomezana vola. Taorian’ny famatsian’izy ireo ireo karazam-pitaovana ho an’ireo ivontoerana eto an-drenivohitra fihainoana ireo lehilahy mpanao herisetra ny herinandro teo dia niroso tamin’ny fampahafantarana ny hetsika tanterahiny manaraka indray izy ireo omaly, natrehin’ny solontenan’ny vondrona Eoropeanina. Tafiditra ao ny fanolorana boky ho an’ny lehilahy mpanao herisetra hahafahany miaina araka ny tokony ho izy eny anivon’ny fiarahamonina. Eo ihany koa ny famatsiana fitaovana ho an’ireo centre d’écoute….Fikambanana maro eto an-drenivohitra miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy no tonga nandray anjara sady nanao sonia hahafahana manatevina ny asa sahanin’ity tetikasa iray ity ihany koa. Tanjon’ny roa tonta ny hanafoanana tanteraka ny herisetra mahazo ny vehivavy, hidinan’ilay isa fito isan’andro mangataka fisaraham-panambadiana eny anivon’ny tribonaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.