Lehilahy lehibe iray voalaza fa bokan-trosa (tsy nahaloa hofan-trano telo volana, Jirama efa-bolana, sns) no sady mamolava nisarahan’ny sipany, namono tena afak’omaly hariva tao amin’ny fokontany Andaboly Toliara
. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany dia efa azo lazaina ho vadiny faharoa ity vehivavy 25 taona niterahany iray ity, izay nampisaraka azy sy ny vady mariaziny. Nivadika anefa ny tantara ny alakamisy teo, fa nandeha nanambady lehilahy hafa ilay tovovavy, rehefa avy nampirafy azy am-bolana maro. Raha ny fanazavana azo hatrany niboboka toaka ity rangahy 57 taona namoifo ity talohan’ny nisotroany poizina. Raha ny nambaran’ny mpitsabo dia tsy misy azo atao na hantenaina intsony ny aminy, satria efa tena potika tanteraka ny ankamaroan’ireo taova ao anatiny. Tsy mifidy taona intsony ny famonoan-tena amin’ izao. Misy raha la terre !
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.