Tao anatin’ny herintaona (2016) dia tsy nahavita nandrafitra politikan’ny fandriampahalemana sy fampandrian-tany ary fandaminana ny fiarahamonina mba isorohana sy hanafoanana ny fitsaram-bahoaka ny fitondrana HVM.
Fahafaham-baraka tanteraka ny hoe i Madagasikara no firenena voalohany eto ambonin’ny tany manana manamboninahitra jeneraly sy kolonely maro indrindra. Ny zava-misy eto amin’ny firenena anefa dia dorana velona ny olona tsy voatsara. Toa tsy sahin’ny filoham-pirenena tompon’ny teny farany anefa ny manaisotra ireo lehibe tsy mahavita azy. Ny niaro indray aza no nataony manoloana ny raharaha Befandriana Avaratra, izay efa lasa raharaham-pirenena mihitsy. Tsy andrenesam-peo izy ireny, ary tsy fantatry ny vahoaka intsony ny asany. Vola be anefa no afafy ho karamany isam-bolana. Manginy fotsiny ny tombontsoa isan-karazany toy ny fiara, solika, trano… Maro ireo zava-doza vokatry ny tsy fandraisan’andraikitra na ny tandrevaka saingy tsy misy tohiny intsony ny raharaha. 54 no matin’ny fitsaram-bahoaka tamin’ny 2016 ary efa mananika ny 20 nanomboka ny fiandohan’ity taona ity. Milaza handray andraikitra foana ny fanjakana saingy kobaka am-bava no betsaka. Tsy mahagaga raha fanjakana mpampiesona no hiantsoan’ny Malagasy ity fitondrana iray ity. Ambara fa efa mandeha ny fanadihadiana saingy mizotra any amin’ny fampanginana ny raharaha sy fampandriana adrisa no betsaka. Tsy vitan’ny fisamborana sy fanagadrana olona 10 na 20 io, fa efa tena olana ara-tsosialy, olana ara-piarahamonina, ary misy idirany amin’ny fomban-tany ihany koa. Tsy mba misy anefa ny fanadihadiana lalina mikasika ny olan’ny Malagasy fa ny hampiasa hery ihany no masaka an-tsain’ny mpitondra na dia efa hita izao aza fa tsy mahomby. Ny adala no lazaina fa anisan'ny nandoro ny tanàna tany Befandriana Avaratra. Efa tsy mahay miasa ve dia tsy mbola mahay manao serasera ihany koa ? Sao dia mba tokony hiova asa e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.