Actualités

Lehiben’ny faritra Betsiboka “Wanted” fa nanao kolikoly


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Vola mitentina 25 tapitrisa ariary mahery no fantatra fa nalain’ny lehiben’ny Faritra Betsiboka tamin’ny olona iray izay manana olana eny amin’ny fitsarana. Nampantenain’ity lehiben’ny faritra ity fa hivoaka ny havany raha manome io vola izay halainy io ireo olona manana olana.

 

Nametraka fitoriana teny amin’ny Bianco Mahajanga ireo tompon-kavana ka dia raikitra ny fanadihadiana. Voamarina tamin’ny fanadihadiana natao ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly fa tena ity tompon’andraikitry ny faritra Betsiboka ity mihitsy no tena nanao io kolikoly avo lenta io niaraka tamin’ny mpitondra sasany ao an-toerana dia ny mpiara-miasa aminy ary ny lefitry ny disitrika. Natolotra ny fitsarana ity raharaha ity ny sabotsy teo saingy nisy ny tsindry bokotra avy any ambony mba tsy hanagadrana ity tompon’andraikitra iray ity. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia avy amin’ny antoko HVM ity lehiben’ny faritra nanao kolikoly ity, hany ka sarotra ihany ny raharaha. Ny talata teo no tsy maintsy noraisin’ny fitsarana ity raharaha kolikoly tao Maevatanana ity na dia tsy teo aza ny lehiben’ny faritra Betsiboka izay fototry ny olana niaraka tamin’ireo namany dimy hafa izay tafiditra ao anatin’ny fisolokiana ity. Tsy niatrika ny fitsarana ity lehiben’ny faritra ity na dia nisy aza ny taratasy fampiantsoana azy. Mandeha ny fikarohana azy hatramin’izao. Ireo namany hafa dia tonga teny amin’ny fitsarana io andro alatsinainy io fotoana nampiantsoana azy ireo io. Andrasan’ny maro ao Maevatanana tokoa ny tohin’ity raharaha ity.

                                                                                                                            Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT