Actualités

Lazaina fa fananam-bahoaka Tanina ministra taloha nisy nibodo


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010

Ny zoma 30 jolay teo izao dia tokantrano miisa 275 no voatery nalana tamin’ny tany, voalaza fa fananana ministry ny fitsarana teo aloha. Tany roa manana ny titra 9573 BA “tompomahery” sy 9575 BA “tsarahely” eny Ambohimanarina Betainomby Toamasina II.

Efa nanomboka ny taona 2007 ny fifampitoriana teo amin’ireo tompon-tany sy ny mpangalatra. Didy maro koa no nivoaka, anisan’izany ny didy ady madio laharana 63 ny 06 febroary 2008 sy ny fampiakarana laharana 79-CIV/09 ny 14 aprily 2009 ary ny ordonnance 297/PPCS/09 ny 26 oktobra 2009 izay ny fokonolona no nanao ity farany araka ny fangatahan’izy ireo hiala amin’ny tany ao anatin’ny iray volana, araka ny fifanarahana an-tsitrapo nataon’izy ireo ny 29 aogositra 2009. Vokatr’izay rehetra izay dia voatery niditra an-tsehatra mihitsy namaha ny olana ny fitsarana tampony, ka namoaka ny didy laharana 251-PPCS/10 ny 16 jolay 2010. Vokany, ny zoma 30 jolay teo dia noravana avokoa ireo trano rehetra teo ambonin’ity tany ao Betainomby ity, izay efa nisy trano vato maromaro mihitsy.

Akoatra izay, mila mailo hatrany ireo manana tany ao Toamasina, hoy ny vaditany nanatontosa ny fanalana ireto olona tao Betainomby ireto. Miafina amin’ny hoe fananam-bahoaka ireo olona mpibodo tany ireo, na mampiasa vola be tsotra izao fotsiny. Ho an’ireto farany dia mampiasa tambajotra matanjaka izy ireo ary metisy sinoa izy ireo.
Araka ny fantatra dia mahakasika ady tany avokoa ny 90%-n’ny antontan-taratasin’ady miditra eo anivon’ny ady madio, ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Tsy mifidy ireo mpanao izany, izay misy mampirisika ny ankamaroany, fa izay lazainy fa tany tsy manan-tompo dia idirana avokoa. Miafina ao ambadiky ny “fananam-bahoaka” ireo mpangalatra tany ireo mandritra izany.
  
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT