Lanonam-pitsarana manetriketrika no natao tao amin’ny fitsarana ambony Toamasina, nentina nametrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpitsara vaovao eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina
. Atoa Lauret Rajaona Thierry no tonia mpampanoa lalàna vaovao izay nisolo an’Atoa Randrianjaka Soustène izay lasa mpanolotsaina eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina. Tonia mpampanoa lalàna tany Ambanja izy izao voafantina hitantana ny fampanoavan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina izao, raha ny taona 2004 izy no niditra teo amin’ny sehatry ny maha mpitsara azy. Fanamby napetrany ny fametrahana aina vao eo anivon’ny fitsarana mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana ary ny mpitsara ka ny ataony amin’izany raha ny lahateniny sy ny “politique pénale” napetrany dia fanafainganana ny raharaham-pitsarana ka ho 30% ny antontan-taratasin’ady sisa tsy voatsara ny faran’ny taona izao, ny ady atao amin’ny kolikoly sy ireo “mpibizina” ivelan’ny fitsarana manimba ny hasin’ny mpitsara, ny tsy fandeferana amin’ny fanofana basy ho an’ny mpitandro ny filaminana mahatonga tsy filaminam-bahoaka, ny fanararaotam-pahefana sy fikatramoana ataon’ireo milaza ho mpandraharaha, tsy fandeferana amin’ny tranga na fakana an-keriny,...ary ny tsy fandeferana amin’ny fanaovana fitsaram-bahoaka. An-kilan’izay dia anisan’ireo mpitsara napetraka ny alarobia tolakandro teo koa ny mpitsara lefitry ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina Atoa Randriamitso Albert. Mpitsara mpamoaka didy sy mpanao famotorana kosa Atoa Rakotondravony Henry ary lefitry ny tonia mpampanoa lalàna ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina kosa Atoa Yvi Sandro.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.