Actualités

Lasibatry ny piraty Mety hikatona ny Scoop Digital


  • Talata 30 Novambra 2010

Vao tsy nivoaka tamin’ny fomba ofisialy akory ny Cd sy Dvd Playboys 3zition, vokatry ny orinasa Scoop Digital dia efa niharan’ny hosoka avo lenta.

Raha anio talata 30 novambra 2010 mantsy no andro voatondro fa hivarotana ny kapila manerana ny nosy dia efa niely nanerana ny renivohitra ireo vokatra piraty ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahitana izany, ohatra, teny Ambohipo ny alahady. Rehefa jerena ireo horonantsary tsy ara-dalàna dia ahitana soratra hoe «D COMM» izay midika hoe : «Direction de la Communication». Rehefa nanontaniana momba io raharaha io i Mamitiana, Tale jeneralin’ny Scoop Digital dia nanambara ny tenany fa ny santionam-bokatra napetraka tany amin’ny «Direction de la Communication» eo anivon’ny ministera no nisy nandika ka nanaparitaka. «Fomba fanao rehefa haka visa ny mametraka ny santionan’ilay horonantsary any amin’io sampandraharaha io. Raha ho an’ny Playboys 3zition dia tamin’ny faran’ny volana oktobra no efa nametrahana azy teny”, hoy hatrany i Mamitiana.

Araka izany dia ny mpiasa na ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny «Direction de la Communication» no tomponantoka amin’ny hosoka na koa nanao tandrevaka ny asany ka mahatonga izao zava-misy izao. Ny ministera tokony hiaro indray izany no mamotika ny mpamokatra izay mamelona olona maro. Fanapahan-kevitra telo avy hatrany no noraisin’ny orinasa Scoop Digital taorian’ny fahitana ity tranga mampalahelo ity ka ny voalohany dia ny fametrahana fitoriana olon-tsy fantatra eny amin’ny mpitandro ny filaminana ary efa misokatra ny fanadihadiana raha ny fanazavana azo.

Fepetra faharoa ny fidinana ifotony eny an-tsena sy elanelan-trano manenjika ireo mpivarotra Cd sy Dvd hosoka ka ny alahady fotsiny dia efa nahatratra 3.000 isa no sarona. Fepetra fahatelo kosa ny fandrosoana ny famoahana ny horonantsary izay natomboka omaly mba tsy havesatra loatra ny fatiantoka. Tsy nahitam-bokany loatra anefa izany satria mihisatra ny tsena satria efa maro ny mpankafy no nahazo ireo hosoka.

Ketraka noho ny fitsetsefan’ny sasany ny herimpony anefa ireo mpamokatra ny Playboys 3zition ka mihevitra mihitsy ny hampitsahatra ny asany. “Efa miparitaka be ny hosoka satria efa misy hatrany amin’ny faritany. Raha ny vinavinanay dia any amin’ny 160 tapitrisa ariary any ny fatiantoka ho anay raha 4000 isa no hosoka miparitaka. Araka izany dia mety hikatona ny orinasa satria tsy vita ny hanarina izany, indrindra moa fa very maina ny asa natao”, hoy hatrany i Mamitiana. Andrasana moa ny valin’ny fanadihadiana hamantarana sy hanasaziana eo anatrehan’ny lalàna ireo tomponandraikitra. Marihina fa ireo mitondra “badge” misy ny sonian’ny tomponandraikitry ny Scoop Digital no mpivarotra ara-dalàna.

Legend:

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT