Actualités

Lapan’ny tanàna Analakely Tsy namboarin’i Andry Rajoelina izany


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Nivoaka ny vaovao marina momba ny lapan’ny tanànan’Antananarivo taorian’ny nanambaran’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha fa vokatry ny ezaka nataony no angady nananana sy vy nahitana io fotodrafitrasa io.

 

 Vola avy tamin’ny alalan’ny “protocole d’accord” na fifanaraham-piaraha-miasa nifanaovana tamin’ny sinoa no fantatra fa nahafahana nanamboatra io lapan’ny tanànan’Antananarivo io. Tamin’ny taona 2006, izany hoe tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana Marc  no natao sonia tany Sina izany. Nanambara mihitsy ireo sinoa, hoy hatrany ity loharanom-baovao iray ity, fa azo omena avy hatrany ny vola hahafahana manao ny asa amin’ny fotoana ilantsika Malagasy azy. Misy ny sarin’ny lehiben’ny Faritra teo aloha Atoa Manganirina sy ireo delegasiona sinoa mihitsy teo am-panaovana sonia. Mbola manaporofo hatrany fa mpandainga sy mpamitaka ny vahoaka i Andry Rajoelina sady mahay mampiresaka mba hahazoany seza.  Raha araka ity loharanom-baovao ity hatrany dia mbola ny filoha Ravalomanana ihany koa no niketrika ilay “train aérien” nokasaina hapetraka eto Antananarivo sy ny manodidina. Fanampiana andiany faharoa saika homen’ireo delegasiona sinoa izy io saingy tsy tanteraka, noho ny fisian’ny krizy 2009.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT